Plateau Malagasy: translationQuestions

Updated ? hours ago # views See on DCS

Mark

Mark 1

Mark 1:1-3

Inona no nolazain'i Isaia mpaminany hitranga talohan'ny nahatongavan'ny Tompo?

Naminany Isaia fa handefa mpitondra hafatra iray Andriamanitra, feon'olona iray miantsoantso any an'efitra, mba hanomanana ny lalan'Andriamanitra.

Mark 1:4-6

Inona no nahatongavan'i Jaona nitory?

Nanao batisa ho amin'ny fibebahana i Jaona ho famelan-keloka ny fahotana.

Inona no nataon'ireo olona rehefa nataon'i Jaona batisa izy ireo?

Niaiky ny fahotan'izy ireo ny olona rehefa nataon'i Jaona batisa.

Inona no nohanin'i Jaona?

Nihinana valala sy tantely remby i Jaona

Mark 1:7-8

Amin'ny alalan'ny inona nolazain'i Jaona fa anoavana Batisa ilay iray izay nanaraka azy?

Nilaza i Jaona fa hatao Batisa aminin'ny alalan'ny Fanahy Masina ilay iray izay manaraka azy.

Mark 1:9-11

Inona no hitan'i Jesosy raha vao nivoaka ny rano izy taorian'ny nanaovan'i Jaona batisa azy?

Taorian'ny fanaovana batisa, dia nahita ny lanitra nisokatra i Jesosy ary nidina teo aminy toy ny voromailala ny Fanahy Masina.

Inona no nolazain'ny feo avy any an-danitra raha natao batisa i Jesosy?

Nilaza ny feo avy any an-danitra hoe: "Ianao dia Zanako malalako; Ianao no sitrako."

Mark 1:12-13

Iza no nitondra an'i Jesosy tany an-efitra?

Ny Fanahy no nitondran'i Jesosy tany an- efitra.

naharitra hafiriana i Jesosy no tany an-efitra, ary inona no nitranga taminy tany?

Tany an-efitra i Jesosy nandritra ny efa-polo, ary nalain'ny Satana fanahy.

Mark 1:14-15

Inona ny hafatra notorin'i Jesosy?

Nitory i Jesosy fa efa akaiky ny fanjankan'Andriamanitra, ary tsy maintsy hibebabaka sy hino ny filazantsaran'ny olona.

Mark 1:16-18

Inona no asan'i Simona sy Andrea?

Mpanjono i Simona sy Andrea.

innona no lazain'i Jesosy fa hataony an'i Simona sy Andrea?

Nilaza i Jesosy fa hanao an'i Simona sy Andrea ho mpanarato olona.

Mark 1:19-20

Inona ny asan'ny Jakoba sy Jaona?

Mpanjono i Jakoba sy Jaona.

Mark 1:21-22

Maninona no mahatalanjona ny olona ny fampianaranan'Jesosy tao amin'ny synagoga?

Mahatalanjona ny olona ny fampianaranan'Jesosy satria mampianatra azy ireo toy ny olona manam-pahefana Jesosy.

Mark 1:23-26

Inona ny fiantsoana nomen'ny fanahy maloto tao amin'ny synagoga an'i Jesosy?

Nomen'ny fanahy maloto tao amin'ny synagoga fiantso hoe ilay iray Masin'Andriamanitra i Jesosy.

Mark 1:27-28

Inona ny nitranga tamin'ny vaovao momban'i Jesosy?

Ny vaovao momban'i Jesosy dia niparitaka teny rehetra teny.

Mark 1:29-31

Rehefa niditra tao amin'ny tranon'i Simona izy ireo, dia iza no nositranin'ny i Jesosy?

Rehefa niditra tao amin'ny tranon'i Simona izy, dia nositranin'i Jesosy ny rafozam-bavin'i Simona.

Mark 1:32-34

inona no niseho rehefa tonga ny hariva?

Rehefa tonga ny hariva, nentin'ny olona izay narary rehetra na misy demonia, ary nositranin'Andriamanitra izy ireo.

Mark 1:35-37

Inona no nataon'i jesosy talohan'ny fiposahan'ny masoandro?

Talohan'ny fiposahan'ny masoandro, niala teo izy ka nandeha tany amin'ny toerana mitokana ary teo izy no nivavaka.

Mark 1:38-39

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Simona fa tokony ahatongavany?

Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy tonga mitory ireo tanàna manodidina izy.

Mark 1:40-42

Inona ny fihetsika nanan'i Jesosy tamin'i ilay boka izay nitalaho azy mba hositranina?

Nangoraka an'ilay boka i Jesosy ary nanasitrana azy.

Mark 1:43-45

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay boka hatao, ary nahoana?

Nilaza tamin'ilay boka i Jesosy mba hanolotra fanatitra arak'izay nandidin'i Mosesy ho vavolombelona.

Mark 2

Mark 2:3-4

Inona no nataon'ireo olona efatra izay nitondra ilay lehilahy malemy?

Nesorin’izy ireo ny tafon-trano ary nampidinin'izy ireo teo amin'i Jesosy ilay lehilahy malemy.

Mark 2:5-9

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay lehilahy malemy?

Nilaza i Jesosy hoe: "Anaka, voavela ny helokao."

Nahoana no manohitra izay nolazain'i Jesosy ireo mpanora-dalàna?

Ireo mpanora-dalàna sasany dia niady hevitra fa niteny ratsy i Jesosy satria tsy misy afa-tsy Andriamanitra no afaka mamela ny fahotana.

Mark 2:10-12

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Jesosy fa nanana fahefana teto an-tany izy mba hamelana ny fahotana?

Nilaza tamin'ilay lehilahy malemy i Jesosy mba hibata ny fandrinany sy handeha any amin'ny tranony, ary nanao izany ilay lehilahy.

Mark 2:13-14

Inona no nataon'i Levi rehefa nilaza azy i Jesosy anaraka azy?

Nipetraka teo amin'ny toerana fanangonana hetra i Levi rehefa niantso azy i Jesosy.

Mark 2:15-16

Tao amin'ny tranon'i Levi, inona no nataon'i Jesosy ka nanafintohina ireo fariseo?

Niara nihinana tamin'ny olona mpanota sy ireo mpamory i hetra i Jesosy.

Mark 2:17

Iza no nolazain'i Jesosy fa tokony hantsoiny?

Nilaza i jesosy fa tonga hiantso ny olona mpanota izy.

Mark 2:18-22

Inona ny fanotaniana napetrakin'ny olona tamin'i Jesosy momban'ny fifadian-kanina?

Nanotany an'i Jesosy izy ireo ny hoe nahoana ny mpiananany tsy mifady hanina fa ny mpianatr'i Jaona sy ny mpianatr'ireo Fariseo kosa mifady izany.

Ahoana ny fomba nanazavany i Jesosy an'ireo mpianany ny hoe nahoana izy ireo tsy mifady hanina?

Nilaza i Jesosy fa raha mbola miaraka amin’izy ireo eo ny mpampakatra, dia tsy afaka mifady hanina izy ireo.

Mark 2:23-24

Inona no nataon'ireo mpanompon'i Jesosy tamin'ny saha sasatsasany tamin'ny andro Sabata ka nanafintohina an'iroe fariseo?

Nioty salohimbary ny mpianany ary nihinana izany tamin'ny andro Sabata.

Mark 2:25-26

Inona ny ohatra nomen'i Jesosy an'ny olona izay nila sy nihinana mofo izay tsy azo hanin'izy ireo?

Nanome ohatra an'i Davida i Jesosy izay tao anatin'ny fahampina ka nihinana mofon'ny fanetrehana izay tokony ho an'ny mpisorona ihany.

Mark 2:27-28

Ho an'iza no nilazan'i Jesosy ny nanaovana ny andro Sabata?

Nilaza i Jesosy fa natao ho an'ny olona ny andro sabata.

Inona ny fahefana iantsoan'i Jesosy ny tenany?

Milaza i Jesosy fa izy ihany koa ny Tompon'ny andro sabata.

Mark 3

Mark 3:1-2

Nahoana izy ireo no nijery an'i Jesosy tao amin'ny synagoga tamin'ny andro Sabata?

Nijery an'i Jesosy izy ireo mba hahita fa hanasitrana amin'ny andro Sabatra izy, hahafahan'izy ireo miampanga azy.

Mark 3:3-4

Inona ny fanotaniana napetrak'i Jesosy tamin'ny olona momban'ny andro Sabata?

Nanotany ireo olona i Jesosy raha Ara-dalàna ny manao soa na ny manao ratsy amin'ny andro Sabata.

Ahoana ny fomba namalian'ireo olona ny fanotanian'i Jesosy?

Tsy nahaloa-teny ireo olona.

Mark 3:5-6

Ahoana izany ny fihetsik'i Jesosy teo anoloan'izy ireo?

Tezitra tamin'izy ireo i Jesosy.

Inona no nataon'ireo fariseo raha vao nositrani'i Jesosy ilay lehilahy?

Nivoaka ireo Fariseo ary nikonokonona hamono an'i Jesosy.

Mark 3:7-10

Firy ireo olona nanaraka an'i Jesosy raha nakeny an'dranomasina izy?

Vahoaka maro no nanaraka an'i Jesosy.

Mark 3:11-12

Inona no notenenin'ireo demonia raha vao nahita an'i Jesosy izy?

Nihiaka mafy ireo demonia fa i Jesosy dia zanak'Andriamanitra.

Mark 3:13-16

olona firy no notendren'i Jesosy ho apostoly, ary inona no nataon'izy ireo?

Nanendry apostoly roa ambinifolo i Jesosy izay niaraka taminy , nitory, sy nanana fahefana hamoaka ireo demony.

Mark 3:17-19

Iza ilay Apostoly izay namadika an'i Jesosy?

Jodasy Iskariota ilay Apostoly izay namadika an'i Jesosy.

Mark 3:20-22

Inona no hevitr'ireo fianakavian'i Jesosy momban'ny vahoaka sy ny zava-miseho manodidina an'i Jesosy?

Noheverenin'ny fianakavian'i Jesosy fa very saina Izy.

inona ny fiampangan'ny mpanora-dalàna manohitra an'i Jesosy?

Niampanga an'i Jesosy amin'ny fandroahana ny demonia ireo mpanora-dalàna amin'ny alalan'ny mpanapaka ny demonia

Mark 3:23-27

Inona no navalin'i Jesosy tamin'ny fiampangan'ireo mpanora-dalàna?

Namaly i Jesosy fa tsy misy fanjakana miady an-trano ka haharitra

Mark 3:28-32

Inona ny fahotana nolazain'i Jesosy ka aazo avela?

Nilaza i Jesosy fa ny fitenenan-dratsy amin'ny Fanahy Masina dia tsy azo avela.

Mark 3:33-35

Iza no nolazaina i Jesosy fa reniny sy rahalahany?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay manao ny sitrapon'Andriamanitra no reniny sy rahalahany.

Mark 4

Mark 4:1-2

Nahoana no niditra tao an-tsambo i Jesosy mba hampianatra?

Niditra tao an-tsambo i Jesosy mba hampianatra satria nisy vahoka maro be niangona nanodidina azy

Mark 4:3-5

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny lalana?

Avy ireo vorona ary nihinana izany.

Mark 4:6-7

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny tany feno tsilo rehefa niposaka ny masoandro?

Nalazo izy ireo satria tsy nisy fakany

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny tsilo?

Nangeja azy ireo ny tsilo.

Mark 4:8-9

Inona no niseho tamin'ny voa nafafy tamin'ny tany tsara?

Namokatra voa teo am-pitomboana, nitombo avo telopolo heny, enimpolo, ary ny sasany zato-polo eny izay nambolena.

Mark 4:10-12

Inona no nolazain'i Jesosy ka nomena an'ireo roambinifolo, fa tsy ireo izay any ivelany?

Nilaza i Jesosy fa ny zava-miafin'ny fanjakan'Andriamanitra dia nomena an'ireo roambinifolo, fa tsy ireo izay any ivelany.

Mark 4:13-15

Amin'ny fanoharan'i Jesosy, inona no atao hoe voa,

Ny voa dia tenin'Andriamanitra.

Maneho inona ny voa voafafy eny an-dalam-be?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny, fa hangalatra ny izany faingana ny Satana.

Mark 4:16-17

Maneho inuna ny voa voafafy amin'ny tany feno tsilo?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny am-pifaliana, kanefa rehefa tonga ny fanenjehana dia ho lavo izy ireo.

Mark 4:18-20

Maneho inuna ny voa voafafy eo amin'ny tsilo

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny, kanefa ny fanahian'izao tontolo izao dia mangeja ny teny.

Maneho i nona nyvoa nafafy tamin'ny tany tsara?

Izany dia maneho an'ireo izay mandre ny teny, mandray izany, ary mamoa vokatra.

Mark 4:21-25

inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'ny zava-miafina?

Nilaza i Jesosy fa ny zava-miafina dia hoentina any amin'ny mazava.

Mark 4:26-29

Amin'ny fomba ahoana ny fanjakan'Andriamanitra no ho toy ny olona mandefa ny voa amin'ny tany?

Mandefa ny voa amin'ny tany ireo olona, kanefa tsy fantany hoe ahoana, avy eo dia masaka ny vary ka mamory izany.

Mark 4:30-34

Amin'ny fomba ahoana ny fanjakan'Andriamanitra no ho toy vao-tsinampy?

ny vao-tsainampy dia manomboka amin'ny kely indrindra ny voa, mitsimimoka ho lasa lehibe mba hahafahan'ny maro manao ny tanony.

Mark 4:35-37

Inona no niseho tamin'ireo mpanompo sy Jesosy rehefa namakivaky ny farihy izy ireo?

Nisy tafio-drivotra lehibe, nampatahotra hameno rano ny sambo.

Mark 4:38-39

Inona nataon'i Jesosy tamin'izany fotoana izany tao anaty sambo?

Natory i Jesosy.

Inona ny fanotaniana napetrak'ireo mpanompo ani Jesosy?

Nanotany an'i Jesosy ireo mpanompo raha tsy mampaninona azy ny ho faty eo izy ireo.

Inona izany no nataon'Androiamanitra?

Niteny mafy tamin'ny rivotra i Jesosy ary nampitony ny ranomasina.

Mark 4:40-41

Taorian'ny nanaovan'Andriamanitra izany, inona ny valitenin'ireo mpanompo?

Feno tahotra ireo mpanompo ary nanotany tena hoe iza i Jesosy ka nankatoavin'ny rivotra sy ny ranomasina.

Mark 5

Mark 5:1-2

Iza no niaona tamin'i Jesosy rehefa tonga tany amin'ny faritry i Gerasena izy ireo?

Lehilahy iray niaraka tamin'ny fanahy maloto no niaona tamin'i Jesosy.

Mark 5:3-6

inona no niseho tamin'iny olona raha niezaka ny nifehy ilay lehilahy tamin'ny rojo vy izy ireo.

Raha niezaka ny hifehy ilay lehilahy tamin'ny rojo vy ireo olona, dia notapahiny ireo rojo vy.

Mark 5:7-8

Inona ny fiantso nomen'ny fanahy maloto an'i jesosy?

Ny fanahy maloto dia niantso an'i Jesosy hoe Zanak'Andriamanitra Avo Indrindra.

Inona no zavatra nolazan'i Jesosy tamin'ilay lehilahy?

Nilaza tamin'ilay lehilahy i Jesosy hoe: "Mivoaha amin'io lehilahy io, ry fanahy maloto."

Mark 5:9-10

Iza no anaran'ilay fanahy maloto?

Tafika ny anaran'ilay fanahy maloto, satria maro izany.

Mark 5:11-13

Inona no niseho raha vao navoaka tamin'ilay lehilahy ilay fanahy maloto?

Nivoaka ilay fanahy ary niditra tao amin'ireo kisoa, izay nirifatra sy nilatsaka tany anaty farihy.

Mark 5:14-15

Taorian'ny nivoahan'ny fanahy maloto, nanaona ilay lehilahy?

Nipetraka niaraka tamin'ny jesosy ilay lehilahy, nitafy ary vory saina.

Mark 5:16-17

Inona no nangatahan'ireo olona tany amin'ny faritra tamin'i Jesosy hatao?

"Nilaza ireo olona i jesosy hiala amin'ny tanana.

Mark 5:18-20

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ilay lehilahy izay niaina tany am-pasana mba ho ataony ankehitriny?

Nilaza tamin'ilay lehilahy i Jesosy mba hilaza ny olony izay nataon'ny Tompo taminy.

Mark 5:21-24

Inona ny valiteni'ny Jairo, ilay synagoga mpitarika, nanaovan'i Jesosy?

Nanotany an'i Jairo i Jesosy mba hiaraka hametraka ny tanana eo amin'ny zanany vavy izay efa ho faty.

Mark 5:25-27

Inona ny olana tamin'ilay vehivavy nikasika ny fitafian'i Jesosy?

Nijaly tamin'ny fahaverezan-drà nandritry ny roambinifolo taona ilay vehivavy.

Mark 5:28-29

Nahoana no nikitika ny ankajon'i Jesosy ilay vehivavy?

Nihevitra ilay vehivavy fa raha mikitika ireo ankajon'i Jesosy fotsiny izy, dia ho sitrana.

Mark 5:30-32

Inona no nataon'i Jesosy raha nikitika ny ankajon'i Jesosy izy?

Jesosy nahalala fa nisy hery niala avy taminy ary nijery nanodidina mba ahita izay nikitika azy.

Mark 5:33-34

Rehefa nilaza an'i Jesosy ny marina ilay vehivavy, inona no nolazain'i Jesosy azy?

Jesosy nilaza taminy fa ny finoany dia nanao azy ho tsara, ary mandehana am-piadanana.

Mark 5:35

Inona ny toe-javatra nisy tamin'ny zanakavavy Jairo rehefa tonga tao amin'ilay trano i jesosy?

Maty ny zanakavavin'ny Jairo.

Mark 5:36-38

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'i Jairo tamin'izany fotoana izany?

nilaza tamin'ny Jairo i Jesosy mba tsy hanahy, fa hihino fotsiny.

Iza no mpanompo nanaraka an'i Jesosy tao amin'ny efitra nisy an'ilay zaza?

Petera, Jakoba, ary Jaona no nanaraka an'i Jesosy tao amin'ila efitrano.

Mark 5:39-40

Inona no nataon'ireo olona tao an-trano rehefa nilaza i Jesosy fa matory fotsiny ny zanakavavin'i Jairo?

nihomehy an'i Jesosy ireo olona raha nilaza i Jesosy i izy fa matory fotsiny ny zanakavavin'i Jairo.

Mark 5:41-43

Rehefa nitsangana sy nandeha ilay zazavavy, dia ahoana ny fihetsik'ireo olona?

Talanjona tokoa ireo olona.

Mark 6

Mark 6:1-3

Nahoana ireo olona tao amin'ny tanànan'i Jesosy no nanafintohina azy?

Ireo olona dia tsy, nahafantatra ny hoe avy aiza no nahazoany ny fampianarany, fahendreny, ary ny fahagagany.

Mark 6:4-6

Taiza no nilazan'i Jesosy fa tsy manam-boninahitra ny mpaminany?

Nilaza i jesosy fa tsy manam-boninahitra ireo mpaminany ao amin'ny tanànany, eo amin'ny havany, ary ao an-tokatranony manokana.

Mark 6:7-9

Inona ny fahefana nomeni Jesosy an'ireo roa ambinifolo rehfa nandefa ay ireo izy?

nomen'i Jesosy fanahy maloto ireo roa ambinifolo.

Inona no noentin'ireo roa ambinifolo nandritra ny dian'izy ireo?

nitondra tehina, kapa, sy atin'ankajo ireo roa ambinifolo.

Mark 6:10-13

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo roa ambinifolo hatao raha tsy mandray azy ireo ny toerana iray?

Nilaza tamin'ireo roa ambinfolo i Jesosy mba hanala ny vovoka ambanin'ny tongony ho vavolombeolona manohitra azy ireo.

Mark 6:14-17

Iza no noheverin'ny olona fa i Jesosy?

Noheverin'ny olona fa Jaona mpanao Batisa, na, Elisa, na mpaminany iray i Jesosy.

Mark 6:18-22

Inona no nolazain'i Jaona mpanao Batisa tamin'ny Heroda fa nanao ny tsy ara-dalàna izy?

Nilaza tamin'ny Heroda i Jaona fa tsy ara-dalàna hoan'ny Heroda ny manambady ny vadin-drahalahany.

Ahoana ny fomba fihetsik'i Heroda rehefa nandre fa nitory i Jaona?

Nanahirana ny sain'i Heroda ny nandre an'i Jaona nitory, fa mbola nihaino azy tamim-pifaliana hatrany izy.

Mark 6:23-25

Inona ny fianianana nataon'i Heroda tamin'ny Herodiasy?

Nianiana i Heroda fa afaka mahazo ny zavatra rehetra izay angatahiny aminy izy, hatramin'ny atsasakin'ny fanjakany.

inona no nagatahin'i Herodiasy?

Nangataka ny lohan'i Jaona mpanao Batisa amin'ny lovia izy.

Mark 6:26-32

Ahoana ny fihetsik'i Heroda amin'ny valitenin'i Heordiasy?

Nalahelo mafy i Heroda, kanefa tsy nandà ny valiteny izy noho ny fianianana izay nataony teo imason'ny vahiny.

Mark 6:33-36

Inona no niseho rehefa niezaka niala mba hiala sasatra?

Nisy olona maro nahafantatra azy ireo ary niazakazaka mba ho tonga alohan'i Jesosy sy ireo apostoly.

Inona ny fihetsik'i Jesosy manoloana ny vahoaka izay niandry azy ireo?

Nangoraka azy ireo i Jesosy satria tahaka ny ondry tsy manana mpiandry izy ireo.

Mark 6:37-38

Rehefa nanotany i Jesosy, dia inona niheveran'ireo mpanompo hatao mba hamelomana ireo ireo vahoaka?

Nihevitra ireo mpanompo fa handeha ary hividy mofo azon'ny denaria roanjato.

Mark 6:39-41

Inona no nataon'i Jesosy raha naka ny mofo sy ny trondro izy?

Raha naka ny mofo sy trondro izy, dia niandrandra ny lanitra izy, saotra ka nizarazara ny mofo, ary nanolotra izany tamin'ireo mpianatra.

Mark 6:42-47

Hafirihana sisa ny hanina tavela rehefa avy nihinana ny olona rehetra?

Nahafeno mofo roambinifolo sobika izany, sy ambin'ireo hazandrano rehefa avy nihinana ny olona rehetra.

Firy ireo lehilahy nihinana ny mofo?

Nisy dimy arivo ireo lehilahy nihinana ny mofo.

Mark 6:48-50

Amin'ny fomba ahoana ny nahatongavan'i Jesosy tany amin'ireo mpanompo teo amin'ny farihy?

Nandeha teny ambonin'ny farihy i Jesosy nanatona ireo mpanompony.

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nahita azy ireo izy?

Nilaza ireo mpanompo i Jesosy mba hanana herim-po ary tsy hatahotra.

Mark 6:51-52

Nahoana no tsy takatra'ireo mpanompo ny momban'ny fahagagana an'ireo mofo?

Tsy takatra ireo mpanompo ny momban'ny fahagagana ny mofo satria tsy takatrin'ny sain'izy ireo izany.

Mark 6:53-55

Inona no nataon'ireo olona amin'ny faritra rehefa nahafantatra an'i Jesosy izy ireo?

Nitondra ireo marary mihinjitra ny olona tany amin'izay rehetra ren'izy ireo misy an'i Jesosy.

Mark 6:56

Inona no niseho tamin'ireo izay nikitika ny moro-tongotry ny ankajon'i Jesosy?

Sitrana ireo izay nikitika ny moro-tongotry ny ankajon'i Jesosy.

Mark 7

Mark 7:2-10

Inona no nataon'ireo mpanompo sasatsany i Jesosy ka nanafintohina ireo Fariseo sy ireo mpanora-dalàna?

Nihinana tamin'ny tanana maloto ireo mpanompo sasatsany

Fomba avy aiza ny fanasana ny tanana, kapoaka, famarana, sy fanaka varahina , ary fandriana alohan'ny ihinanana?

Fomban'ireo loholona izany fanasana ny tanana izany, kapoaka, famarana, sy fanaka varahina , ary fandriana alohan'ny ihinanana.

Mark 7:11-13

Ahoana ny fomba nanafoanan'ireo Fariseo sy mpanora-dalàna ny tenin'Andriamanitra izay milaza mba hanome voninahitra ny rainareo sy ny reninareo?

Nofoanan'izy ireo ny tenin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fitenenana ny olona hanome toy ny Korbana ny vola izay hanampiana ireo rainareo sy reninareo.

Mark 7:14-16

Inona no zavatra nolazain'i Jesosy ka tsy mandoto olona iray?

Nilaza i Jesosy fa tsy misy na inona na inona avy any ivelan'ny olona ka afaka handoto azy rehefa miditra ao amin'ny izany.

Inona no nolazain'i jesosy handoto ny olona?

Nilaza i Jesosy fa izany dia mivoka amin'izay mandoto azy.

Mark 7:17-19

Inona no karazana hanina nambara i Jesosy mba hadio?

Nanambara i Jesosy fa ny hanina rehetra dia tokony hadio.

Mark 7:20-23

Inona no zavatra telo nolazain'i Jesosy fa afaka mivoaka amin'ny olona iray ka mandoto?

Nilaza i Jesosy fa ny sain-dratsy, ny fahavetavetana, ny halatra, ny famonoan'olona,ny fijangajangana, ny fitsiriritana, ny haratsiam-panahy, ny fitaka, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny fiampangana lainga, ny avonavona, ny hadalana dia mety mivoaka amin'ny olona iray ka handoto azy.

Mark 7:24-26

Moa va ilay vehivavy manana zanakavavy izay maloto fanahy maloton'ny Jiosy sa Grika?

Ilay vehivavy manana zanakavavy maloto fanahy dia Grika.

Mark 7:27-28

Ahoana ny fomba famalin'ilay vehivavy an'i Jesosy rehefa nilaza azy izy fa tsy mety ny nangalana ny mofon-jaza ka manipy izany ho an'ny amboa?

Nilaza ilay vehivavy fa na ny amboa ao ambanin'ny latabatra aza mihinana ny sombintsombiny amin'ny mofon-jaza.

Mark 7:29-32

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ilay vehivavy?

Nanala ny demonia tao amin'ilay zanakavavin'ilay vehivavy i Jesosy.

Mark 7:33-35

Rehefa noentina teo amin'i Jesosy ilay marenina sy manana olana ara-pitenenana, inona no nataony hanasitrana azy?

Nametraka ny rantsan-tanany tao an-tsofiny Izy, ary raha avy nandrora, dia nikasika ny lelany, dia avy eo nijery ny lanitra ary niteny hoe: "Maladia!."

Mark 7:36-37

Inona no nataon'ny olona rehefa nilaza azy ireo i Jesosy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza amin'izany fanasitranana izany?

Arakarakin'ny nandidian'i Jesosy azy ireo, dia vao mainka niresaka momban'izany izy ireo.

Mark 8

Mark 8:1-4

Inona no mampanahy an'i Jesosy momba ny vahoaka maro be izay efa nanaraka azy?

Nilaza i Jesosy fa ny mampanahy azy dia ireoi vahoaka maro be izay tsy misy ho hanina.

Mark 8:5-6

Firy ireo mofo izay hanan'ireo mpanompo?

Manana mofo fito ireo mpanompo.

Inona no nataon'i Jesosy tamin'ny mofon'ireo mpanompo?

Nanome fisaorana i Jesosy, niazarazara ny mofo, ary nanome izany tamin'ireo mpanompony hozaraina.

Mark 8:7-10

hafiriana ny ambin-tsakafo rehefa avy nihinana ny olona rehetra?

Nahafeno sobika fito ny ambin-tsakafo taorian'ny nihinanan'ny olona rehetra.

hafiriana ny olona nihinana ary voky?

Teo amin'ny efatr'arivo teo ny olona izay nihinana sy voky.

Mark 8:11-13

mba hitsapana azy, inona no notadiavin'ireo Fariseo hataon'i Jesosy?

Nitady famantarana omen'i Jesosy avy any an-danitra ireo fariseo.

Mark 8:14-15

Momba ny inona ny fampitandremana nataon'i Jesosy tamin'ireo mpianany mikasika ireo Fariseo?

Nampitandrina azy ireo i Jesosy mba hitandrina amin'ny masirasiran'ireo Fariseo.

Mark 8:16-17

Momba ny inona no nolazain'i Jesosy heverin'ireo mpianatra ?

Noheverin'ireo mpianatra fa miresaka momban'ny fanadinoana ny fitondrana mofo i Jesosy.

Mark 8:18-21

Mampatsiahy ireo Mpianatra i Jesosy fa inona niseho tamin'iJesosy nizara ny mofo dimy?

Mampatsiahy azy ireo I Jesosy fa tamin'izy nanapaka ny mofo dimy, dia olona dimy arivo no no nihinana ary sobika roambinifolo no feno sombintsombina mofo nangonina.

Mark 8:22-23

Inona ireo zavatra roa nataon'i Jesosy tamin'ilay lehilahy jamba mba hampahita azy indray?

Nandrora tamin'i mason'i Jesosy ary nametraka ny tanany teo aminy.

Mark 8:24-26

Inona no zavatra fahatelo nataon'i Jesosy tamin'ilay jamba mba hampahita azy tanteraka indray?

Nametraka ny tanany teo aminy masony i Jesosy.

Mark 8:27-28

Iza ireo olona nilaza an'i Jesosy?

I Jaona mpanao Batisa, Elisa, na mpaminany iray no nilaza an'i Jesosy.

Mark 8:29-30

Iza no lazain'i Petera fa nilaza an'i Jesosy?

Nilaza i Petera fa Jesosy no Kristy.

Mark 8:31-32

Momba ny tranga ho avy inona no nanombohan'i Jesosy ny fampianarana mazava an'ireo mpianany?

Nampianatra ireo mpianany i Jesosy fa ny Zanak'Olona dia tsy maintsy hijaly, ho lavina, ho vonoina, ary hatsangana amin'ny maty afaka telo andro.

Mark 8:33-34

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanomboka niteny mafy azy i Petera?

Nilaza tamin'i Petera i Jesosy hoe: ""Mialà lavitra Ahy ry satana! Tsy mba misaina ny zavatr'Andriamanitra ianao, fa ny zavatr'olona."

Inona no zavatra tsy maintsy hatao nolazain'i Jesosy tamin'ny olona izay maniry ny hanaraka azy?

Nilaza i Jesosy fa izay maniry ny hanraka azy dia tsy maintsy mandà ny tenany ary maka ny hazo fijaliany.

Mark 8:35-37

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny faniriana ny hahazo ireo zavatr'izao tontolo izao?

Nilaza i Jesosy hoe: "Fa inona anefa no tombontsoa azon'ny ny olona iray, raha mahazo izao tontolo izao ary avy eo very ny ainy?"

Mark 8:38

Inona no nolazain'i Jesosy fa hataony momba ny ireo izay menatra azy sy ny teniny?

Nilaza i Jesosy fa amin'ny fahatongavany dia ho menatra amin'ireo izay menatra azy sy ny tenany Izy.

Mark 9

Mark 9:1-3

Iza no nolazain'i Jesosy fa hahita ny fanjakan'Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery?

Nilaza i Jesosy fa ny sasany mijoro miaraka aminy dia tsy ho faty alohan'ny ahitan'izy ireo ny fanjakan'Andriamanitra izay ho avy amin'ny hery.

inona no niseho tamin'i jesosy rehefa niakatra tamin'ny tendrombohitra avo niaraka taminy i Petera, Jakoba, sy Jaona?

Niova tarehy i Jesosy ary ny nanjelanjelatra ny ankajony.

Mark 9:4-6

Iza no niresaka tamin'i Jesosy teo amin'ny tendrombohitra?

Elisa sy Mosesy no niresaka tamin'i Jesosy.

Mark 9:7-8

Teo amin'ny tendrombohitra, Inona no nolazain'ilay feo avy ao anatin'ny rahona?

Nilaza ny feo hoe: "Ity ny Zanako Malalako. Mihainoa Azy."

Mark 9:9-10

Inona no nandidian'i Jesosy an'ireo mpianany momban'izay hitan'izy ireo teo amin'ny tendrombohita?

Nandidy azy ireo i Jesosy mba tsy hilaza na amin'iza na amin'iza izay hitan'izy ireo, mandra-pitsanganan'ny Zanak'Olona amin'ny maty.

Mark 9:11-16

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny fahatongavan'i Elisa?

Nilaza i Jesosy fa efa tonga voalohany Elisa hanarina ny zavatra rehetra, ary efa tong.

Mark 9:17-19

Inona no tsy afaka nataon'ireo mpianatra tamin'ilay ray sy ny zanany?

Tsy afaka nitondra ny fanahy ratsin'ilay zanaka lahin'ny ray ireo mpianatra.

Mark 9:20-22

Nandavo ilay zaza lahy tamin'ny inona ilay fanahy ratsy mba hahafahany hanimba azy?

nandavo ilay zazalahy tany anaty afo na tany anaty rano mba hanandrana ny hanimba azy.

Mark 9:23-27

Ahoana ny fomba namalian'ilay ray rehefa nilaza i Jesosy fa ny zavatra rehetra dia azo atao ho an'ilay iray izay mino?

Namaly ilay ray nanao hoe: "mino aho! Ampio aho amin'ny tsy finoako!"

Mark 9:28-29

Nahoana no tsy afaka nandroaka ny fanahy moana sy marenina tao amin'ilay zazalahy ireo mpianatra?

Tsy afaka nandroaka ny fanahy ratsy ireo mpanompo satria tsy afaka noroahina izany afa-tsy amin'ny alalan'ny vavaka.

Mark 9:30-32

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany fa hiseho azy?

Nilaza azy ireo Jesosy fa hovonoina izy, ary afaka telo andro dia hitsangana amin'ny maty izy.

Mark 9:33-35

Inona no niadivan'ireo mpianatra hevitra teny an-dalana?

Niady hevitra ireo mpianatra ny amin'ny hoe iza no lehibe indrindra eo amin'izy ireo.

Iza no nolazain'i Jesosy fa voalohany?

Nilaza i Jesosy fa izy no voalohan'ny mpanompon'ny rehetra.

Mark 9:36-41

Rehefa misy olona mandray zazakely iray amin'ny anarany'i Jesosy, iza ihany koa no rasin'izy ireo?

Rehefa misy olona mandray zazakely iray amin'ny anaran'i Jesosy, mandray an'i Jesosy ihany koa izy ireo ary ilay iray izay naniraka an'i Jesosy.

Mark 9:42-46

Inona no mety kokoa ho an'ny olona mahatonga ny kely iray tsy hino an'i Jesosy ka tafintohina?

Mety kokoa amin'izany olona izany raha ny anantonana vato lehibe fikosoham-bary mifatotra eo amin'ny vozony ary hazera any an-dranomasina.

Mark 9:47-50

Inona no nolazain'i Jesosy hatao amin'ny masonao raha mahatonga anao ho tafintohina izany?

Nilaza i Jesosy fa esorina hiala ny masonao raha mahatonga ano ho tafintohina.

Mark 10

Mark 10:1-4

Inona ny fanotaniana napetrak'ireo Fariseo an'i Jesosy hitsapana azy?

Nanotany ireo fariseo i Jesosy raha ara-dalana ho an'ny vady lahy no misaraka amin'ny vadiny.

Mark 10:5-6

Nahoana no nanome izany didy izany mahakasika ny fisaraham-panambadiana an'ireo Jiosy i Mosesy?

Nanome ny an'ireo Jiosy ny didy i Mosesy noho ny hamafin'ny fonareo.

Mark 10:7-12

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo olona roa, ilay lehilahy sy ny vadiny, ka tonga rehefa manambady izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa ny roa dia hanjary ho nofo iray.

Mark 10:13-14

Ahoana ny fihetsik'i Jesosy rehefa niteny mafy tamin'ireo nitondra zazakely ho any aminy ireo mpianany?

Tezitra tamin'ireo mpianany i Jesosya ary niteny azy ireo mba hamela ny zazakely hanantona azy.

Mark 10:15-16

ahoana ny fomba nilazan'i Jesosy fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy maintsy mandray mba hidirana amin'izany?

Nilaza i Jesosy fa ny fanjakan'Andriamanitra dia tsy maintsy handray toy ny zazakely mba hidirany amin'izany.

Mark 10:17-19

Inona no nolazain'i Jesosy voalohany tamin'ilay lehilahy ka tsy maintsy hataony mba handovany ny fiainana mandrakizay?

Nilaza ilay lehilahy i Jesosy fa tsy mahazo mamono, tsy mijangajanga, tsy mangalatra, tsy mijoro vavolombelona amin'ny tsy marina, tsy mamitaka, tsy maintsy manaja ny ray sy ny reniny izy.

Mark 10:20-22

Inona ny fanampina ny didy izay nomen'i Jesosy ny olona?

Nandidy ilay lehilahy i Jesosy mba ivarotra izay rehetra ananany ary hanaraka azy.

Ahoana ny fihetsik'ilay lehilahy rehefa nanome izany didy izany i Jesosy, ary nahoana?

Nalahelo mafy ilay lehilahy ary nandeha nangahiahy, satria nanana fananam-be tokoa izy.

Mark 10:23-25

Iza no nolazain'i Jesosy fa manana fahasarotana hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra?

Nilaza i Jesosy fa ny manankarena dia nanana fahasarotana hiditra ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra.

Mark 10:26-28

ahoana ny fomba nilazan'i Jesosy fa na ny mpanankarena aza dia afaka hovonjena?

Nilaza i Jesosy fa tsy vitan'ny olona izany, fa miaraka amin'Andriamanitra dia vitany izany.

Mark 10:29-31

Inona no nolazain'i Jesosy tamin' izay nandray izay niala ny trano, fianakviana, ary ireo tany ho an'i Jesosy?

Nilaza i Jesosy fa handray avo zato heny amin'izao taonjato ankehitriny izao, miaraka amin'ny fanenjehana, sy ny fiainana mandrakizay amin'ny taonjato ho avy.

Mark 10:32-34

Amin'ny lalana aiza no nandehanan'i Jesosy sy ireo mpianany?

nandeha tamin'ny lalana makany Jerosalema i Jesosy sy ireo mpianany.

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo mpianany fa hiseho azy any Jerosalema?

Nilaza tamin'ireo mpianany ireo i Jesosy fa ho helohinaho faty Izy, ary afaka telo andro dia hitsangana amin'ny maty izy.

Mark 10:35-37

Inona no navalin'i Jakoba sy Jaona an'i Jesosy?

Namaly i Jakoba sy Jaona mba hipetraka eo amin'ny an-tanana ankavanana sy ankavy ao miarak amin'ny amin'ny voninahitra.

Mark 10:38-40

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiaretan'i Jakoba sy Jaona?

Nilaza i Jesosy fa hiaritra ny kapoaka izay hisotrohany i Jakoba sy Jaona, ary ny batisa izay hanaovam-batisa an'i Jesosy.

Mark 10:41-42

Inona no nolazain'i Jesosy an'ireo mpanapaka Jentily amin'ny fitondra ireo olom-peheziny?

Nilaza I Jesosy fa mampanompo ireo olom-peheziny ireo mpanapaka Jentily.

Mark 10:43-45

Ahoana ny fomba nilzan'i Jesosy an'ireo naniry ho lehibe amin'ny mpanompo ka tsy maintsy hiaina?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay maniry ny ho lehibe eo amin'ny mpanompo dia tsy maintsy ho mpanompon'ny rehetra.

Mark 10:46-50

Inona no nataon'ilay jamba Bartolomeo rehefa betsaka no niteny mafy azy, milaza azy mba hangina?

Nihiaka mafy i Bartolomeo nanao hoe: "Zanak'i Davida ô, mamindrà fo amiko!"

Mark 10:51-52

Inona no nolazain'i Jesosy ka nanasitran an'i Bartolomeo amin'ny fahajambany?

Nilaza i Jesosy fa ny finoan'i Bartelemeo no nanasitrana azy.

Mark 11

Mark 11:1-3

Nahoana no nandefa ny mpianany roa i Jesosy mba hanao izany vohitra kely manoloana azy ireo?

Nandefa azy ireo i Jesosy mba hitondra zana-boriky iray ho azy iray mbola tsy notaingena.

Mark 11:4-6

Inona no niseho rehefa nahita ilay zana-boriky nifatotra ireo mpanompo?

Nanotany ireo mpanompo ny olona sasany hoe inona no ataon'izy ireo, ka niresaka tamin'ireo olona izy ireo arak'izay nolazain'i Jesosy, ary navelan'ny olona handeha amin'ny lalany izy ireo

Mark 11:7-10

Inona no aparitakin'ny olona tamin'ny lalana raha notaingina ny zana-boriky i Jesosy?

Naparitakin'ny olona ny ankajon'izy ireo, ary rantsan-kazo izay notapatapahany avy tany an-tsaha.

Inona no fanjakana niantsoantsoan'ireo olona raha nitaingina ho an'ny Jerosalema i Jesosy?

Niantsoantso ireo olona fa ny fanjakan'ny rain'izy ireo Davida dia ho avy.

Mark 11:11-12

Inona no nataon'i Jesosy rehefa niditra tao an-kianajan'ny tempoly izy,

Nijerijery nanodidina i Jesosy ary avy eo nizotra nankany Betania.

Mark 11:13-14

Inona no nataon'i Jesosy raha vao nahita ny hazon'aviavy izay tsy misy voa teo aminy?

Hoy i Jesosy tamin'ilay hazon'aviavy hoe: ""Tsy hisy hihinana ny voa avy aminao intsony mandrakizay."

Mark 11:15-16

Inona no nataon'i Jesosy rehefa niditra tao an-kianjan'ny tempoly izy tamin'io fotoana io?

Nandroaka ireo mpivarotra sy mpividy rehetra i Jesosy, ary tsy amela na iza na iza hitondra zavatra izay azo amidy hiditra ny kianjan'ny tempoly.

Mark 11:17-19

Inona no noheverin'i Jesosy ny tempoly , araka ny Soratra Masina?

Nilaza i Jesosy fa noheverina ho tranom-pivavahana ho an'ny firenena rehetra ny tempoly.

Inona no nolazain'i Jesosy fa nanaovana ny mpisorona be sy mpanora-dalàna ny tempoly?

Nilaza i Jesosy fa nataon'izy ireo ho zohy fieren'ny mpangalatra ny tempoly.

inona no nokasain'ny mpisorona be sy ny mpanora-dalàna natao an'i Jesosy?

Nikasa ny hamono an'i Jesosy ireo mpisoroa be sy ireo mpanora-dalàna.

Mark 11:20-23

Inona no niseho tamin'ilay hazon'aviavy izay noresahan'i Jesosy?

Nalazo hatramin'ny fakany ilay hazon'aviavy izay noresahan'i Jesosy.

Mark 11:24-26

inona no nolazain'i Jesosy momba ny izay angatahintsika amin'ny amin'ny fivavahana?

Nilaza i Jesosy fa ny zavatra rehetra angatahintsika amin'ny vavaka, dia tokony mino isika fa handray izany, ary ho antsika izany.

Inona no lazain'i Jesosy fa tsy maintsy hataontsika mba hahafahan'ilay Ray any an-danitra mamela anao?

Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy voavela isika na inona na inona ananantsika manohitra ny hafa, mba ahafahan'ny Ray mamelantsika.

Mark 11:27-28

Ao an-tempoly, inona tian'ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona ho fantatra avy amin'i Jesosy?

Tian'izy ireo ho fantatra fa fahefana avy aiza no hanaovanao ireny zavatra ireny.

Mark 11:29-30

Inona ny fanotaniana napetrak'i Jesosy tamin'ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona?

Nanotany azy ireo Jesosy raha ny Batisa an'i Jaona dia avy tamin'ny lanitra sa tamin'ny olona.

Mark 11:31-33

Nahoana no tsy te hamaly ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona fa ny Batisa an'i Jaona dia avy an-danitra?

Tsy te hanome valinteny izy ireo satria hanotany i Jesosy ny hoe ahoana izy ireo no tsy mino an'i Jaona.

nahoana no tsy te hamaly ireo mpisorona be, ireo mpanora-dalàna, sy ireo loholona fa ny Batisa an'i jaona dia avy amin'ny olona?

Tsy te hanome valinteny izy ireo satria mampatahotra ireo olon izy ireo, izay ninoan'ny rehetra fa mpaminany i Jaona.

Mark 12

Mark 12:1-3

Taorian'ny fanorenana sy nampanofana ny tanim-boaloboka, dia inona no nataon'ilay tompon'tany?

Taorian'ny fanorenana sy nampanofana ny tanim-boaloboka, dia niala nandia lavitra ny tompon-tany.

Mark 12:4-5

Inona no nataon'ireo mpikarakara ny voaloboka tamin'ireo mpanompo maro izay nalefan'ilay tompon-tany handray ny voan'ny tanim-boaloboka?

Nokaphina sy novonoin'ireo mpikarakara voaloboka ny sasany tamin'ireo mpanompo maro.

Mark 12:6-7

Iza no nalefan'ny tompon-tany farany tany amin'ireo mpikarakara ny voaloboka?

Nandefa ny zanaka malalany ilay tompon-tany.

Mark 12:8-9

Inona no nataon'ireo mpikarakara voaloboka tamin'ilay iray izay avy any amin'ny tompon-tany nalefa farany?

nosamborina ireo mpikaraka voaloboka izy, novonoiny, ary natsipiny tany ivelan'ny tanim-boaloboka.

Inona no nataon'ilay tompon'ny tanim-boaloboka tamin'ireo mpikarakara ny voaloboka?

Ho avy sy handringana ireo mpikarakara voaloboka ary hanome ny tanim-boaloboka ho an'ny hafa.

Mark 12:10-12

Ao ami'ny Soratra Masina, inona no niseho tamin'ilay vato narin'ny mpanorin-trano?

Ilay vato izay nolavin'ny mpanorin-trano, no natao vato fehizoro.

Mark 12:13-15

Inona no fanotaniana nagatahan'ireo Fariseo sy ireo Herodiana sasany tamin'i Jesosy?

Nanotany azy izy ireo raha ara-dalàna sa tsia ny mandoa ny hetra amin'i Kaisara.

Mark 12:16-17

Inona no navalin'i Jesosy azy ireo?

Nilaza i Jesosy fa tokony omena an'i Kaisara izay an'i Kaisara , ary omena an'Andriamanitra izay an'Andriamanitra.

Mark 12:18-19

Inona no tsy hinoan'ireo Sadoseo?

tsy nino ny fitsanganana amin'ny maty ireo Sadoseo

Mark 12:20-23

Araka ny tantara izay nolazaina ireo Sadoseo, firy ny vadin'ilay vehivavavy?

Nananana vady fito ilay vehivavy.

Mark 12:24-25

Inona no antony nanmen'i Jesosy ireo Sadoseo noho ny fahadisoan'izy ireo?

Nilaza i jesosy fa tsy nahafantatra na ny Soratra Masina na ny herin'Andrimanitra.

Mark 12:26-27

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Jesosy tamin'ny alalan'ny soratra masina fa misy fitsanganana?

Nambaran'i Jesosy tao amin'ny bokin'i Mosesy, izay nilazan'Andriamanitra fa izy no Andriamanitr'i Abrahama, Isaka, ary Jakoba-izay rehetra tsy maintsy ho velona.

Mark 12:28-34

Inona no didy nolazain'i Jesosy fa manan-danja kokoa?

Nilaza i Jesosy fa ny fitiavana ny Tompontsika Andriamanitrareo amin'ny fo, ny fanahy, ny saina, ary ny herintsika manontolo no manan'danja kokoa amin'ny didy.

Inona no didy faharoa nolazain'i Jesosy?

Nilaza i Jesosy fa ny fitiava-namana tahaka ny tenanareo no didy faharoa.

Mark 12:35-37

Inona no fanotaniana napetrak'i Jesosy an'ireo mpanora-dalàna momban'ny Davida?

Nanotany an'i Davida i Jesosy amin'ny fomba ahafahany miantso an'i Kristy Tompo rehefa zanak'i Davida i Kristy.

Mark 12:38-42

Inona no nolazain'i Jesosy an'i olona mba hitandrina ny mikasika ny mpanora dalàna?

Nilaza i Jesosy fa maniry ny homen'ny olona voninahitra ireo mpanora-dalàna, kanefa mandroba ny tranon'ireo mpitondra tena izy ireo, ary manao vavaka lava be mba ho hitan'ny olona.

Mark 12:43-44

Nahoana no nilaza i Jesosy fa ny vehivavy mahantra dia mitondratena ity no nandrotsaka betsaka mihoatra amin'ny olona izay nandrotsaka vola tao amin'ny vatan-drakitra?

Nilaza i Jesosy fa nandrotsaka betsaka izy satria nanome tamin'ny fahantrana raha ny hafa nanome tamin'ny fananam-ben'izy ireo.

Mark 13

Mark 13:1-2

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'ny ilay vato sy rafitra tsara'ny tempoly?

Nilaza i Jesosy fa tsy havela hisy vato iray hifanongoa eo ka tsy ho ravana.

Mark 13:3-4

Inona izany no fanotaniana napetrak'ireo mpianatra tamin'i Jesosy?

Nanotany an'i Jesosy ireo Mpianatra hoe Rahoviana ireo zavatra ireo no hiseho ary inona no famatarana.

Mark 13:5-6

Momba ny inona no noalazain'i Jesosy fa tokony hitandremn'ireo mpianatra?

Nilaza i Jesosy fa tokony hitandrina ireo mpanompo mba tsy hisy olona hampivily lalana azy ireo.

Mark 13:7-8

Inona no nolazain'i Jesosy fa ho fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana

Nilaza i Jesosy fa ny fiandohan'ny fahorian'ny fiterahana dia ady, resabe momban'ny ady, ary mosary.

Mark 13:9-10

Inona no nolazain'i Jesosy fa hiseho amin'ireo mpanompo?

Nilaza i Jesosy fa atolotra amin'ny Synedriona ireo mpanompo, kapohina ao amin'ny synagoga, ary hitsangana manolona ireo mpanapaka sy ireo mpanjaka ho vavolombelon'izy ireo.

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy hiseho voalohany?

Nilaza I Jesosy fa ny ny filazantsara dia tsy maintsy ho toriana any amin'ny firenena rehetra aloha

Mark 13:11-13

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy maintsy hiseho eo anelanelan'ireo ankohonana?

Nilaza i Jesosy fa ankohonana iray dia hanolotra ankohonana hafa ho faty.

Iza no nolazain'i Jesosy fa ho voavonjy?

Nilaza i Jesosy fa na iza na iza maharitra hatramin'ny farany dia ho voavonjy.

Mark 13:14-16

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ireo izay any Jodia fa tokony hatao rehefa hahita ny fahavetavetan'ny fandravana izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa iroe izay any Jodia dia tokony handositra eny an-tendrombohitra rehefa hahita ny fahavetavetan'ny fandravana izy ireo.

Mark 13:17-20

Inona no nolazain'i jesosy fa hanao izany ny Tompo ho an'ny olom-boafidy, mba ho voavonjy izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa hohafohezin'ny Tompo ny andro'ny fahoriana ho an'ny olom-boafidy.

Mark 13:21-23

Iza no nolazain'i Jesosy fa hatsangana mba tsy hamitaka ny olona?

Nilaza i Jesosy fany Kristy sandoka sy mpaminany sandoka dia hatsangana mba hamitahana ny olona.

Mark 13:24-29

inona no hiseho amin'ny herin'ny lanitra aorian'ny fahorianan'ireo andro ireo?

Hihamaizina ny masoandro, ireo kintana hiraraka avy eny amin'ny lanitra, ary ireo hery izay ao an-danitra ho hozongozonina.

inona no ho hitan'ny olona eny ami'ny rahona?

Hahita ary ireo hery izay ao an-danitra ho hozongozonina.

Inona no hataon'ilay Zanak'Olona rehefa avy azy?

Hanangona miaraka ireo olom-boafidiny avy any amin'ny faran'ny tany ka hatrany amin'ny faran'ny lanitra ilay Zanak'Olona.

Mark 13:30-32

Inona no nolazain'i Jesosy fa tsy ho faty mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany

Nilaza I Jesosy fa tsy ho faty izany taranaka izany mandra-pitrangan'izany zavatra rehetra izany

Mark 13:33-34

Inona no didy nomen'i Jesosy tamin'ireo mpianany momban'ny fahatongavany,

Nilaza tamin'ireo mpianany i Jesosy mba ho mailo sy hijery.

Mark 13:35-37

Inona no didy nomen'i Jesosy tamin'ireo mpianany momban'ny fahatongavany?

Nilaza tamin'ireo mpianany i Jesosy mba ho mailo sy hijery.

Mark 14

Mark 14:1-2

Inona noheverin'ireo mpisorona be sy ireo mpanora-dalàna hatao?

Nitady fomba hisamborana an'i Jesosy mangingina ireo lohan'ny mpisorona sy ny mpanoradalàna ary hamono Azy.

Nahoana no tsy nanao izany nandritran'ny fety sy ny fihinanana ny mofo ireo mpisorona be sy ireo mpanora-dalàna?

Nanahy ny fiitabataba ny olona izy ireo.

Mark 14:3-5

Inona no nataon'ilay vehivavy an'i Jesosy tao an-tranon'i Simona boka?

Novakiany ilay vehivavy tavoara ary nararany teo amin'ny lohan'i Jesosy.

Noho inona no nahatezitra ny sasany tamin'ilay vehivavy?

Tezitra tamin'ilay vehivavy ny sasany amin'ny tsy fivarotana ny menaka manitra ary ny fanomezana vola ny mahantra.

Mark 14:6-9

Inona no nolazain'i Jesosy ilay vehivavy tamin'izay nataony taminy?

Nilaza i Jesosy fa nanosotra ny tenany ho amin'ny fandevenana ilay vehivavy.

Inona no fampanantenana nataon'i Jesosy tamin'ny zavatra nataony ilay vehivavy?

Nampanantena i Jesosy fa na aiza na aiza hitoriana ny Filazantsara manerana izao tontolo izao, izay nataon'ity vehivavy ity, dia lazaina mba ho fahatsiarovana azy.

Mark 14:10-11

Nahoana no niala tamin'ny ireo mpisorona be i Jodasy Iskariota?

Niala teo amin'ireo mpisorona be i Jodasy Iskariota mba hahafahany manolotra an'i Jesosy eo amin'izy ireo.

Mark 14:12-16

Ahoana ny fomba nahitan'ireo mpianatra ny toerana ahafahan'izy rehetra mihinana ny sakafon'ny Paska?

Nilaza azy ireo i Jesoa handeha any an-tanàna ary hanaraka lehilahy iray mitondra siny feno rano, ary avy eo anontany azy ny teorana misy ny efitrano fandraisam-bahiny mba hahafahan'izy ireo mihinana ny Paska.

Mark 14:17-19

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa niara-nipetraka teo amin'ny latabatra sy nihinana izy ireo?

Nilaza i Jesosy fa ilay ireo izay miara-mihinana aminy dia hamadika Azy.

Mark 14:20-21

Iza ilay mpianatra nolazain'i Jesosy hamadika azy?

Nilaza i Jesosy fa ilay mpianatra manatsoboka ny mofo anaty lovia miaraka aminy no hamadika azy.

Inona no nolazain'i Jesosy momban'ny anajaran'ny mpianatra izay mamadika azy?

Nilaza i Jesosy fa tsara ho azy kokoa raha tsy mbola teraka izy.

Mark 14:22-25

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanome ny mofo notapatapaihna tamin'ireo mpianany izy?

Nilaza i Jesosy hoe: "Raiso, ity no vatako."

Inona no nolazain'i Jesosy rehefa nanome kapoaka tamin'ireo mpianany izy?

Nilaza i Jesosy hoe: "Ity ny ràn'ny fanekem-pihavanako, rà izay alatsaka ho an'ny maro."

Oviana i Jesosy no niteny fa tsy isotro an'izany vokatrin'ny voaloboka izany intsony?

Nilaza i Jesosy fa tsy hisotro ity vokatry ny voaloboka ity intsony Aho mandra-pahatongan'ny andro izay hisotroako izany indray any amin'ny Fanjakan'Andriamanitra.

Mark 14:26-29

Teny an-tendrombohitr'Oliva, inona no nolazain'i Jesosy momban'ny mpianany?

Nilaza i Jesosy fa handao azy avokoa ny mpianany rehetra noho izy.

Mark 14:30-31

Inona no nolazain'i Jesosy an'i Petera taorian'ny nilazan'i Petera fa tsy hihemotra mandrakariva izy?

Nilaza tamin'i Petera i Jesosy fa raha mbola tsy maneno in-droa akory ny akoho, dia handà in-telo an'i Jesosy i Petera.

Mark 14:32-34

Inona no nolazain'i Jesosy tamin'ny ireo mpianany telo hatao rehefa mivavaka?

Nilaza azy ireo Jesosy mba hitoetra eo sy hiambina.

Mark 14:35-36

Noho inona no nivavahan'i Jesosy,

Nivavaka i Jesosy mba hiala aminy izany ora izany.

Mark 14:37-39

Inona no hitan'i Jesosy rehefa niverina teo amin'ireo mpianany roa izy?

Nahita ireo mpianatra telo natory i Jesosy.

Mark 14:40-42

Inona no hitan'i Jesosy fanindroany rehefa niverina avy nivavaka izy?

Nahita ireo mpiantra telo natory i Jesosy.

Inona no hitan'i Jesosy fanintelony rehefa niverina avy nivavaka izy?

Nahita ireo mpianatra telo natory i Jesosy.

Mark 14:43-46

Inona no famatarana nomen'i Jodasy an'ireo mpiambina mba hamatarana an'i Jesosy?

Nanoroka an'i Jesosy i Jodasy mba hamatarana an'i Jesosy.

Mark 14:47-50

Inona no nolazain'i Jesosy fa nataony tamin'ny fisamborana azy mba hanatanterahana ny soratra masina?

Nilaza i Jesosy fa notanterahana ny soratra masina satria tonga nisambotra azy toy ny jiolahy, miaraka amin'ny sabatra sy langilangy.

Inona no nataon'ireo izay niaraka tamin'i Jesosy rehefa nosamborina izy?

Nandao Azy ireo nanaraka azy ary niery.

Mark 14:51-52

Inona no nataon'ilay zatovo lahy izay nanaraka an'i Jesosy rehefa nosamborina izy?

Navelan'ilay zatovo lahy teo ny lambany ka lasa nandositra nitanjaka izy.

Mark 14:53-54

Taiza i Petera rehefa noentina tany amin'ny mpisorona be i Jesosy?

Nipetraka teo amin'ireo mpiambina i Petera, izay namindro teo akaikin'ny afo.

Mark 14:55-59

Inona no tsy nety tamin'ny vavolombelona manohitra an'i Jesosy nomen'ilay Synedriona?

Diso sy tsy nitombomona akory ny vavolombelona manohitra an'i Jesosy.

Mark 14:60-62

Inona no fanotaniana napetrak'ireo mpisorona be an'i Jesosy momban'ny hoe iza i Jesosy?

Nanotany an'i Jesosy ireo mpisorona be raha izy no Kristy, Zanak'Ilay Voatahy.

Inona no valitenin'i Jesosy tamin'ny fanotanian'ireo mpisorona be?

Namaly i Jesosy fa izy ilay Kristy, ilay Zanak'Ilay Voatahy

Mark 14:63-65

Raha ny fahenona ny valitenin'i Jesosy, inona no antony hanamelohan'ireo mpisrona be an'i Kristy?

Nilaza ireo Mpisorona be fa meloka amin'ny faniratsirana i Jesosy.

Inona no nataon'izy ireo tamin'i Jesosy taorian'ny nanamelohana azy tamin'ilay iray izay mendrika ny ho faty?

nandrora azy izy ireo, nanarona ny tavany, namono azy.

Mark 14:66-70

Inona no valitenin'i Petera tamin'ireo mpanompo vavy izay nilaza fa niaraka tamin'i Jesosy i Petera?

Namaly i Petera fa tsy nahafantatra na nahazo izay nolazain'ilay vehivavy izy.

Mark 14:71-72

Inona no valitenin'i Petera rehefa nanotaniana fanitelony fa mpianatr'i Jesosy va izy?

Nianiana sy nanozona ny tenany fa tsy mahafantatra an'i Jesosy izy.

Mark 15

Mark 15:1-3

Vao maraim-be, inona no nataon'i mpisorona be an'i jesosy?

Vao maraim-be, dia nofatoran'izy ireo Jesosy ary natolotr'izy ireo teo amin'i Pilato.

Mark 15:4-5

Raha nanolotra fiampangana maro manohitra an'i Jesosy ireo mpisorona be, inona noho nahagaga an'i Pilato momban'ny Jesosy?

Gaga i Pilato fa tsy namaly azy intsony I Jesosy.

Mark 15:6-8

Inona no ataon'i Pilato matetika amin'ny vahoaka amin'ny andron'ny firavoravona?

mamotsotra gadra iray amin'ny vahoaka foana i Pilato amin'ny andron'ny firavoravona.

Mark 15:9-11

Nahoana no naniry ny hamotsotra an'i Jesosy I Pilato?

Nahafantatr'i Pilato fa noho ny fialonana no nanoloran'ny lohan'ny mpisorona an'i Jesosy taminy

Iza no nihikian'ny ireo vahoka ho havotsotra?

Nihiaka mafy ireo vahoaka mba hamotsorana an'i Barabasy.

Mark 15:12-15

Inona no nolazain'ireo vahoaka fa tokony hatao amin'ny mpanjakan'ny Jiosy?

Nilaza ireo vahoaka fa tokony homboina ilay mpanjaka ny Jiosy.

Mark 15:16-18

Ahoana ny fomba nampitafian'ny antoko miaramila an'i Jesosy?

Notafian'ny miaramila lamba voloparasy Jesosy, ary nandrandrana fehiloha tsilo azy ka napetraka teo aminy lohany.

Mark 15:19-21

Iza no nitondra ny hazofijalian'i Jesosy?

Mpandalo anankiray, Simona Kyreniana, no noterena hitondra ny hazofijalian'i Jesosy.

Mark 15:22-24

Inona no anran'ilay toerana izay nitondran'ny miaramila an'i Jesosy hanomboana azy?

Gologota no anaran'ilay toerana, izay midika hoe toeran'ny karandoha.

Inona no nataon'ireo miaramila ny ankajon'i Jesosy?

Nataon'ireo miaramila ankitsapaka ny fitafian'i Jesosy.

Mark 15:25-28

Inona no fiampangana nanohitra an'i Jesosy nosoratan'ireo miaramila tao amin'ny takelaka?

Nanoratra hoe: "Mpanjakan'ny Jiosy" teo amin'ny takelaka ireo miaramila.

Mark 15:29-30

Inona no nasain'ireo mpandalo nataon'i Jesosy?

Ireo izay nandalo dia naniratsira an'i Jesosy mba hamonjy ny tenany ary hidina avy eo amin'ny hazofijaliana.

Mark 15:31-32

inona no nolazain'ireo lohan'ny mpisorona fa tokony hataon'i Jesosy mba hinoany izy ireo azy?

Nilaza ireo lohan'ny mpisorona fa tokony hidina eo amin'io hazofijaliana io jesosy mba hinoan'izy ireo.

Inona no fiantso nampiasain'ireo lohan'i mpisorona an'i Jesosy rehefa maniratsira azy izy ireo?

Nantsoin'ireo lohan'ny mpisorona hoe Kristy sy mpanjakan'isarely i Jesosy.

Mark 15:33-35

Inona no niseho tamin'ny ora faha-enina?

Tamin'ny ora faha-enina, dia tonga teo amin'ny tany rehetra ny haizina.

inona no nihiakan'i Jesosy tamin'ny ora fahasivy?

Nihiaka i Jesosy hoe: "Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana Ianao no nahafoy Ahy?"

Mark 15:36-38

Inona no nataon'i Jesosy alohan'ny nahafaty azy?

nihiaka tamin'ny feo mafy i Jesosy talohan'ny nahafaty azy.

Inona no niseho tamin'ny tempoly rehefa maty i Jesosy?

Rovitra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany ny lamban'ny tempoly rehefa maty i Jesosy.

Mark 15:39-41

Inona no nataon'ireo kapiteny nanatri-maso rehefa nahita an'i Jesosy maty?

Nanatri-maso ireo kapiteny fa tena Zanak'Andriamanitra tokoa izany lehilahy izany.

Mark 15:42-44

Inona ny andro nahafaty an'i Jesosy?

Maty mialohan'ny andro Sabata i Jesosy.

Mark 15:45-47

Inona no nataon'i Josefan'ny Armatia taorian'ny nahafaty an'i Jesosy?

Nampidina an'i Josefan'i Armatia teo amin'ny hazofijaliana i Jesosy, namono hariry madinika Azy, ary nametraka Azy tao amin'ny fasana,iza nanakodia vato teo amin'ny varavaram-pasana.

Mark 16

Mark 16:1-2

Oviana ireo vehivavy no nandeha tany amin'ny fasana mba hanosotra ny fatin'i Jesosy?

Nakany amin'ny fasana ireo vehivavy tamin'ny andro voalohan'ny herinandro rehef niposaka ny masoandro.

Mark 16:3-4

Ahoana ny fomba nidiran'ireo vehivavy tao amin'ny fasana na dia efa nisy vato lehibe aza teo amin'ny fidirana?

Nisy olona nanakodia ny vato lehibe teo amin'ny fidirana.

Mark 16:5-8

Inona no hitan'ireo vehivavy rehefa niditra tao amin'ny fasana?

Nahita zatovolahy niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanana ireo vehivavy.

Inona no nolazain'ilay lehilahy momban'i Jesosy?

Nilaza ilay zatovo lahy fa efa nitsagana izy ary tsy eto intsony.

Aiza no toerana nolazain'ilay zatovo lahy fa hahitan'ireo mpianatra an'Andriamanitra?

Nilaza ilay zatovo lahy fa any Galilia no hahitana an'i Jesosy.

Mark 16:9-11

Iza no nisehoan'i Jesosy voalohany rehefa nitsangana tamin'ny maty izy?

Maria Magadalena no nisehoan'i Jesosy voalohany.

Ahoana ny fomba namalian'ireo mpianatr'i Jesosy rehefa nilaza azy ireo i Maria fa nahita an'i Jesosy velona izy?

Tsy nino ireo mpianatra.

Mark 16:12-13

Ahoana ny fomba namalin'ireo mpianatra rehefa nilazan'ireo olon-droa izy ireo fa velona i Jesosy?

Tsy nino ireo mpianatra.

Mark 16:14-16

Rehefa niseho tamin'ireo mpianatra izy, inona no nolazain'i Jesosy momban'ny tsy finoan'izy ireo?

Niteny mafy an'ireo mpianatra i Jesosy amin'ny tsy finoan'izy ireo.

Inona ny didy nomen'i Jesosy an'ireo mpianatra?

Nandidy ireo mpianatra i Jesosy mba handeha handeha any amin'izao tontolo izao ary hitory ny filazantsara.

Inona no nolazain'i Jesosy fa hovoavonjy?

Nilaza I Jesosy fa ireo izay nino sy natao Batisa dia ho voavonjy.

Iza no nolazain'i Jesosy fa homelohana?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay tsy mino dia homelohana.

Mark 16:17-18

Inona no famantarana nolazain'i Jesosy fa handeha amin'ireo izay mino?

Nilaza i Jesosy fa ireo izay mino dia hamoka ny demonia , iteny amin'ny fiteny vaovao, tsy ho fatifaty foana izy , ary hanasitrana ny hafa.

Mark 16:19-20

Inona no niseho tamin'i Jesosy taorian'ny nitenenany an'ireo mpianatra?

Taorian'ny nitenenany ireo mpianatra, dia nampiakarina tany an-danitra i Jesosy ary nipetraka teo an-tanana ankavanan' Andriamanitra.

Inona izany no nataon'ireo mpianatra?

Lasa ireo mpianatra ary nitory teny rehetra teny.

inona izany no nataon'ilay Tompo?

Niara-niasa tamin'ireo mpianatra ny Tompo ary nanamafy ny teny tamin'ny alalan'ny famantarana.