Plateau Malagasy: translationQuestions

Updated ? hours ago # views See on DCS

James

James 1

James 1:1-3

Ho an'iza no nanoratan'i Jakoba ny taratasy?

Nanoratra taratasy ho an'ny foko roa ambin'ny folo niparitaka i Jakoba.

Rehefa nosedrain'ny olana, inona no toetra nolazain'i Jakoba fa tokony hananan'ireo mpamaky?

Nilaza i Jakoba fa tokony handray izany amin'ny fifaliana rehetra rehefa misedra ireo olana.

Inona vokatrin'ny fitsapana ny finoantsika?

Ny fitsapana ny finoantsika dia mahantonga faharetana.

James 1:4-5

Inona no tokony hangatahintsika amin'Andriamanitra raha ilaina izany?

Tokony hangataka ny fahendrena amin'Andriamanitra isika rah ilaina izany.

James 1:6-8

Inona no tokony hangatahin'ny olona izay manana fisalasalana ho riasiny?

Ny olona izay mangataka am-pisalasalana dia tokony tsy hanantena na inona na inona avy amin'ny Tompo.

James 1:9-13

Nahoana no tokobny manetri-tena ny rahalahy iray manan-karena?

Ny rahalahy manan-karena dia tokony manetri-tena satria hilofaka toy ny voninkazo izy.

James 1:14-16

Inona no nahatonga ny olona iray ho azon'ny ratsy?

manana fanirian-dratsy ny olona iray ka mahatonga azy hjo azon'ny ratsy.

Inona no vokatri'ny fitomboana tanteraka ny ota?

Ny fahafatesana no vokatrin'ny fitomboana tanteraka ny ota.

James 1:17-18

Inona no nidina tamin'ny fahazavan'ny Ray?

Ny fanomiezana tsara rehetra sy ny zavatra lafatra rehetra dia nidina tamin'ny fahazavan'ny Ray.

Tamin'ny alalan'ny inona no nanomezan'Andriamanitra antsika?

Nifidy ny hanome ny fiainana ho antsika Andriamanitra tamin'ny alalan'ny tenin'ny fahamarinana.

James 1:19-21

Inona no nolazain'i Jakoba antsika hatao momba ny fihainoana , ny firesahana sy ny fihetsem-po?

Milaza amintsika i Jakoba mba halaky hihaino, tsy hiteny haingana, ary tsy halaky ho tezitra.

James 1:22-25

Ahoana ny fomba hilazan'i Paoly fa afaka mamitaka ny tenantsika isika,

Milaza i Jakoba fa afaka mamitaka ny tenantsika isika amin'ny alala'ny fahadrenesana teny ary tsy manao izany.

James 1:26-27

Inona no tokony hofehezina ho antsika mba ho mpivavaka marina isika?

Ny lela no tokony hofehezina mba ho mpivavaka marina isika.

Inona no fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra?

Ny famangina ny kamboty sy ireo mpitondratena, ary ny fiarovana ny tenantsika amin'ny kolikoly avy amin'ny izao tontolo izao no fivavahana madio sy tsy misy loto eo anatrehan'Andriamanitra.

James 2

James 2:1-4

Inona no nolazain'i Jakoba tamin'ireo rahalahy fa tokony tsy hatao rehefa misy olona miditra ny fivoriana?

Milaza azy ireo Jakoba mba tsy hankasitraka ny olona sasany noho ny fijeren'izy ireo.

James 2:5-7

Inona no nolazain'i Jakoba momba ny safidin'Andriamanitra amin'ireo mahantra?

Nilaza i Jakoba fa nifidy an'ireo mahantra Andriamanitra mba hanankarena amin'ny finoana ary mba handova ny fanjakana.

Inona no nolazain'i Jakoba fa nataon'ireo mpanankerana?

Nilaza i Paoly fa nampahory ireo rahalahy ny mpanankarena ary miteny ratsy ny anaran'Andrimanitra.

James 2:8-9

Inona no lalàn'ny manjaka an'ny soratra masina?

Ny lalàn'ny manjaka: "Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.''

James 2:10-11

Meloka amin'ny inona ireo izay mandika teboka iray lalàn'Andriamanitra?

Na iza na iza mandika teboka iray ny lalàn'Andriamanitra dia meloka amin'ny fandikana ny lalàna rehetra.

James 2:12-13

Inona no tonga amin'ireo izay tsy nampiseho famindram-po?

Ny fitsarana tsy misy famindram-po no tonga amin'ireo izay tsy nampiseho famidram-po.

James 2:14-17

Inona no nolazain'i Jakoba momba ny ireo izay milaza fa manana finoana nefa tsy manampy ireo tsy manana?

Nilaza i Paoly fa ireo izay milaza fa manana finoana, nefa tsy manampy ireo tsy manana dia manana finona izay tsy afaka ny hamonjy azy ireo.

James 2:18-20

Ahoana ny fomba nilazan'i Jakoba fa tokony mampiseho ny finoantsika isika?

Nilaza i Jakoba fa tokony mampiseho ny finoantsika amin'ny asa isika.

Inona no hinoan'ireo izay milaza fa manana finoana sy demonia?

Ireo izay milaza fa manam-pinoana sy demonia dia mino fa iray ihany ny Andriamanitra.

James 2:21-24

Ahoana ny fomba nampisehon'Abrahama ny finoany tamin'ny alalan'ireo asany?

Nampiseho ny finoany tamin'ny alalan'ny asany i Abrahama rehefa nanolotra ani' Isaka teo amboni'ny alitara.

Inona ny soratra masina izay notanterahina niaraka tamin'ny finoana sy ny asan'i Abrahama?

Ny soratra masina izay notanterahina dia milaaza hoe: "Abrahama nino an'Andriamanitra, ka nisaina taminy ho fahamarinana izany."

James 2:25-26

Ahoana ny fomba nampisehoan'i Rahaba ny finoany tamin'ny alalan'ny asany?

I Rahaba dia nampiseho ny finoany tamin'ny alalan'ny asany rehefa nandray ny hafatra sy nandefa izany tamin'ny lalan-kafa izy.

Inona mahafaty ny tena raha miala ami'ny fanahy?

Maty ny tena raha misaraka amin'ny fanahy.

James 3

James 3:1-2

Nahoana i Jakoba no nilaza fa tsy tokony ho maro no lasa mpampianatra?

Tsy olona maro no tokony ho lasa mpampianatra satria handray fitsarana mafy kokoa izy ireo.

iza no tafintohina, ary tamin'ny fomba inona avy?

Tafintohina amin'ny fomba maro isika.

Olona toy ny ahoana no afaka mifehy ny tenany iray manontolo?

Ny olona izay tsy tafintohina amin'ny teniny dia afaka mifehy ny tenany iray manontolo ihany koa.

James 3:3-4

Inona ireo ohatra roa nampiasain'i Jakoba mba hampisehoana fa zavatra kely iray dia afaka mahafehy zavatra lehibe?

Nampiasa ny ohatry ny lamboridy eo ambavan'ireo soavaly sy ny famoriana ny sambo i Jakoba.

James 3:5-6

Inona no afaka ataon'ny lela mpanota amin'ny vatana iray manontolo?

Afaka mandoto ny vatana iray manontolo ny lela mpanota.

James 3:7-8

Inona no tsy afaka afaka nofolahana ny olona?

tsy nisy olona mahavita mamolaka ny lela.

James 3:9-12

Inona ireo zavatra roa izay mivoaka amin'ny vava mitovy?

Ny fitahiana sy ny fanozonana no mivoaka amin'ny vava mitovy.

James 3:13-14

Ahoana fomba ampisehoan'ny olona iray ny fahendrena sy ny fahalalana?

Amin'ny alalan'ny asa izay vitany amin'ny fanetre-tena no ampisehoana ny fahendrena sy ny fahalalan'ny olona iray.

James 3:15-18

Inona no toetra itarafana ny hendry izay eto an-tany, tsy ara-panahy , ary demoniaka?

Olona manana fahasarotam-piaro mangidy sy ny fanirian-daza no manana fahendrena izay eto an-tany, tsy ara-panahy , ary demoniaka.

Inona no toetra itarafana ny fahendrena avy any ambony?

Ny olona tia fiadanana, malemy fanahy, mihevitra ny hafa, feno famindram-po sy vokatra tsara, tsy malemy, ary tsotra no manana fahendrena avy any ambony.

James 4

James 4:1-3

Inona no nolazain'i Jakoba fa niavin'ireo fifandirana eo amin'ireo mpino?

Ny niaviny dia ire fanirian-dratsy izay mifanditra eo amin'izy ireo.

Nahoana ireo mpino no tsy mandray ny valiteniny avy amin'Andriamanitra?

Tsy mandray izy ireo satria mangataka ho amin'ny zavatra ratsy izy ireo mba holanina aminny fanirian-dratsin'izy ireo.

James 4:4-5

Raha misy olona manapa-kevitra ny ho naman'izao tontolo izao, dia inona ny fifandraisan'izany olona izany amin'Andriamanitra?

Ny olona manapa-kevitra ny ho naman'izao tontolo izao dia manao ny tenany ho fahavalon'Andriamanitra.

James 4:6-7

Iza no notoherin'Andriamanitra, ary iza no omeny fahasoavana?

Toherin'Andriamanitra ireo mirehareha, fa manome fahasoavana ireo mpanetry tena.

Inona no hataon'ny devoly rehefa manolo-tena amin'ny Andriamanitra ny mpino iray ary manohitra ny devoly?

Handositra ilay devoly.

James 4:8-10

Inona no ataon'Andriamanitra ho an'ireo izay manakaiky azy?

Manakaiky an'ireo izay manakaiky azy Andriamanitra.

James 4:11-14

Inona no nolazain'i Jakoba tamin'ireo mpino fa tokony tsy hatao?

Nilaza tamin'ireo mpino i Jakoba mba tsy hifanaratsy.

James 4:15-17

Inona no nolazain'i Jakoba tamin'ireo mpino holazaina momban'izay hiseho any aoriana any?

Nilaza tamin'ireo mpino i Jakoba fa raha sitraky ny Tompo, dia ho velona isika ary hanao an'itsy na hanao an'iroa.

Inona no nolazain'i Jakoba momba ny ireo izay mirehareha momban'ny tetik'izy ireo?

Nilaza i Jakoba fa ireo izay mirehareha momban'ny tetik'izy ireo dia manao ratsy.

Inona moa izany raha misy olona mahay manao ny tsara, , nefa tsy manao izany?

Fahotana izany raha misy olona mahay manao ny tsara, nefa tsy manao izany.

James 5

James 5:1-3

Inona no hananan'ireo mpanankarena, momba izay lazain'i Jakoba, ka vita tamin'ny andro farany izay mijoro vavolombelona manohitra azy ireo?

Nanangona ny harenany ireo mpanankarena.

James 5:4-6

ahoana ny fomba nitondran'ireo mpanankarena ny mpiasan'izy ireo?

tsy nandoha ny karaman'ireo mpiasa ireo mpanankarena ireo.

Ahoana ny fomba nitondran'ireo mpanankarena ny olo-marina?

Nanameloka sy namono ny olo-marina ireo mpanankarena.

James 5:7-8

Inona no lazain'i Jakoba fa tokony ho toetran'ireo mpino manoloana ny fahatongavan'ny Tompo?

Tokony hiandry am-paharetana ny fahatongavan'ny Tompo ireo mpino.

James 5:9-11

karazana toetra inona no nolazain'i Jakoba fa nasehon'ireo mpaminany ao amin'ny Testamenta taloha tamintsika?

Nasehon'ny mpaminany tao amin'ny testamenta taloha ny faharetana sy ny fanenjehana ao amin'ny fijaliana.

James 5:12

Inona no nolazain'i Jakoba momban'ny fahamendrehan'i mpino "Eny" ho "Tsia"?

Ny "enin'" ireo mpino dia tokony midika hoe "eny" ary ny "tsia" an'ireo mpino dia tokony midika hoe "tsia."

James 5:13-15

Inona no tokony hataon'ireo izay marary?

Tokony hiantso an'ireo loholona ny marary mba hahafahan'izy ireo mivavaka ho azy ary hanosotra menaka azy.

James 5:16-18

Inona ireo zavatra roa nolazain'i Jakoba fa tokony hatao amin'ny tsirairay mba ho sitrana?

Tokony hibebaka amin'ny tsirairay ireo mpino ary mivavaka ho an'ny tsirairay.

Inona no nolazain'i Jakoba fa ohatr'i Elia mampiseho antsika ny vavaka?

Ny ohatr'i Elia dia mampiseho antsika fa ny vavakin'ny olo-marina iray dia mamokatra vokatra lehibe.

James 5:19-20

Inona no ataon'ny olona iray izay mitarika ny mpanota hiala amin'ny fahadisoany?

ny olona iray izay mitarika ny mpanota hiala amin'ny fahadisoany dia mamonjy ny fanahy amin'ny fahafatesana ary manarona fahotana marobe.